Distrikan'i Farafangana

Ny namany ihany no nanapa-doha ilay dahalo


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Nisy ny zavatra tsy nifanarahana teo amin'ny samy dahalo ka tsisy alaharo alaharo fa tonga

dia fanapahan-doha ny setriny.Hita faty tao Andranovily amoron'i Manampatra Ambohimandroso ny lehilahy antsoina hoe Danny ny 13 febroary lasa teo, efa tapa-doha.Raha ny fampitam-baovaon'ny zandarimariam-pirenena avy any amin'iny faritra atsimo atsinanan'ny nosy iny ka 3 lahy ireo nahavanona ny loza ary nisy nahita maso fa niaraka tamin'izy ireo. Efa tratra i VICO isan'ireo 3 nahavanona ny loza ary voatifitry ny miaramila tany Ambanato Vohimasy fa saika hangalatra omby. Mpinamana tsy mifankafoy izy ireo hoy ny mana-manjo ary efa hikohizana amin'ny fifohana rongony sy halatr'omby.Ny 13 Ffebroary 2025 tokony ho tamin'ny 11 ora alina dia tratran'ny fokonolona sy zandary tao Etrotroka i Oscora na Iaban'i Tovo 28 taona, sy i Tata Manahaky Berthin na Iaban'i Iasin. Samy monina ao Etrotroka Ambohimandroso, distrikan'i Farafangana. Ny 14 febroary 2025 tamin'ny 4 ora maraina izy ireo no nentina hiakatra any amin'ny Borigady Farafangana saingy teo Belambo dia nanao ny heriny rehetra nandosirana avy teny ambony moto izy roalahy.Natao daholo ny feo mahery sy ny tifi-danitra hampijanona azy ireo fa tsy nampiova ny heviny izany ka voatery nitifitra ny zandary. Voatifitra ary maty noho ny rà bé loatra very i Oscar sy Tata.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT