DISTRIKAN'I BETROKA

Rongony 60 kg sarona tao anaty valizy


  • Alatsinainy 17 Novambra 2025

Nandritra ny fisafoana nataon'ny

Hery Fiarovana sy Filaminana ao Betroka ny alin' ny 12 Novambra teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina, dia naharay antso ireo mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy mitondra valizy sy kitapo lehibe teny akaikin'ny Lisea Tsiebo Calvin. Tonga haingana tao amin’ilay toerana voalaza ireo mpitandro filaminana ka nanao ny fisavàna. Nahitàna valizy lehibe miisa 03 sy kitapo 01 saingy tafaporitsaka ireo olona nitondra io entana io. Rehefa nosokafana ireo valizy dia rongony no tao anatiny izay milanja 60 kilao. Mitohy ny fanadihadihana eo anivon'ny Kaomisaria momba ity raharaha ity mba hitadiavana ny tena tompon'antoka tamin'ny fiparitaha izao zava-mahadomelina ao Betroka izao.
Pati
Légende : Ireo rongony tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT