DISTRIKAN'ANTANIMORA SUD

« Izao vao afaka matory any an-trano ny vahoaka »


  • Alarobia 03 Desambra 2025

Ankehitriny vao afaka matory any

an-tokantranony avy ireo mponina any amin'ny distrikan'Àntanimora Sud, Faritra Androy noho ny firongatry ny asan-dahalo. Vokatry ny ezaka nataon'ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Mickaël sy ny depiote voafidy any an-toerana Baba Tea Longo no angady nanana sy vy nahitana izany. Efa Tonga any Antanimora Sud mampandry ny tanana amin'izao ireo miaramila 400 lahy raha araka ny tafa nifanaovan'Atoa Sofiavy Jean de la Croix Raiamandreny avy any an-toerana tamin'ny mpanao gazety omaly. Nankasitraka feno ny Filohan'ny fanavaozana sy ity depiote an'Antanimora Sud ity araka izany ny tenany noho ny fitsînjovan'izy ireo ny vahoaka. Nomarihiny manokana moa fa vao tao anatin'ny 8 na 9 andro izay raha nisy no natory tany an-tranony ireo vahoaka any an-toerana. Talohan'izany dia horohoro sy tebiteby lava isan'andro no niainan'izy ireo arahin'ny halatr'omby sy ny fandrobana.
Pati
Légende : Izy no Sofiavy Jean de la Croix, Raiamandreny avy any amin'ny distrikan'Antanimora Sud !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT