Fandriampahalemana

Distrika fito sokajiana ho faritra mena Misy hetsika manokana momba ny fandriampahalemana


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Nanao bemidina tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny fianankaviam-ben’ny Zandarimariam-pirenena notarihan’ny jeneraly Tsirivelo Nicolas

 

, talen’ny kabinetran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ny jeneraly Rakotoarison Anthonny, talen’ny fanangonam-baovao sy ny filaminana eo anivon’ny foibe fibaikoana ny 30 aogositra 2017. Hametraka ny paikady hamerenana sy hifehezana ny filaminanana any Atsimo Andrefana, Atsimo  Atsinanana ary Anosy no tarigetran’izy ireo amin’izao hetsika izao, araka ny toromarika avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy azy io. Nisy ny dinika niarahana tamin’ireo vahoaka tany an-toerana sy ireo manampahefana nijerena ireo fomba iaraha-miasa hamongorana ny tsy fandriampahalemana. Niantso ny vahoaka ny zandary mba hanome vaovao na mikasika ny tsy fandriampahalemana na amin’ny fitondrantenan’ireo zandary mba hiaraha-mientana amin’ny fanarenana ny firenena. Marihina fa distrika fito sokajiana ho faritra mena no hanaovana ny hetsika amin’izao dingana voalohany izao dia ny distrikan’i Vangaindrano, Sakaraha,  Mandoto, Tsaratanàna, Andapa, Ambohimahasoa ary Morafenobe, ka  hitohy manerana an’i Madagasikara.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT