Fandriampahalemana

Dilàna Morarano Chrome Ataon’ny jiolahy fahirano


  • Talata 13 Jona 2017

In-tsivy sahady izay ny jiolahy no nandravarava ny tanàna ao Dilàna fokontany Andoharano kaominina Morarano Chrome.

Ny sabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany, dahalo telo mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy, famaky ary antsy lava lela no nanafika tokantrano iray. Tsy nihambahamba ireo jiolahy fa avy hatrany dia namira ilay rangahy tamin’ny famaky ary notsatohany antsy ny tendany. Ilay renim-pianakaviana kosa nodarohan’izy ireo vody basy. Fantatra fa vola 20.000 ariary no nalain’ireo jiolahy tamin’io tokantrano io. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny sefom-pokotany any an-toerana mba hamahana io olan’ny tsy fandriampahalemana io satria zary miraviravy tanana ny vahoaka ka tsy afaka ny hamokatra. Tiana ny mampahafantatra fa 23 km miala ny renivohitry ny kaominina morarano no misy an’i Dilàna io izay azo ambara fa tany lavitra andriana ka manararaotra ny jiolahy. Hetahetan’ny sefom-pokontany sy ny vahoaka any an-toerana ny hametrahana miaramila hiandraikitra ny filaminana any amin’izy ireo.

                                                          Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT