Diaben'ny fandriampahalemana

Leon’ny tsy filaminana misy eto ny tanora


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Ankoatra ny fakana olona an-keriny, ny vaky fasana sy ny hala-botry ary ny fanendahana…

dia tsy lazaina intsony ny sinto-mahery sy ny fanolanana zaza amam-behivavy. Leo izany tsy filaminana izany loatra ireo andiana tanora eto amintsika ka nanatanteraka ilay diaben’ny fandriampahalemana ny faran’ny herinandro teo. Tetsy amin’ny garan’i Soarano no nianga ilay diabe afak’omaly Sabotsy 01 Jona nanomboka tamin’ny 10 ora maraina. Vondrona sy fikambanana tanora miisa 11 ho an'ny teto Antananarivo no niara-nandray anjara tamin’izany izay sady nanentana ireo tanora namany mba ho tia sy handala ny filaminana sy fahalemana.Nisintona ny sain'ny tanora zokiny sy ireo olon-dehibe ray aman-dreny koa izy ireo mba hitodika sy hahatsapa fa ilaina ny mandry fahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsiahivina fa nahavory olona maro ny IPYG na ny fikambanamben'ireo tanora mivondrona manerana izao tontolo izao izay nanao sy nikarakara ity hetsika ity. Tanjona tamin’ny hetsika moa ny fanentanana sy famporisihina ny rehetra hanao fanatanjahantena, indrindra fa ireo tanora. Toraka izany koa ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny Firaisankina raha tsy latsa-danja amin’izany ny fikarohana ny mba ny hisian'ny kolontsaina voajanahary hampihatra ny fandriam-pahalemana mazava maneran-tany sy mamerina izany amin'ny laoniny. Niainga teo Soarano, nandalo ny tonelina Ambohidahy ary nifarana teo amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina moa ity hetsika ity.
Pati
Legende : Vonona hiady ho an’ny fandriampahalemana ny tanora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT