Fandriampahalemana

Depioten’i Soalala Said Zakaniaina Lehilahy roa nitondra basy no saika hamono azy


  • Talata 30 Jolay 2019

Vao nivoaka ny haino aman-jery tsy miankina Viva tao Mahajanga ny Depiote Said Zakaniaina Mahafaly Joseph voafidy tao Soalala ny alahady lasa teo no nisy jiolahy roa nanaraka tsy nisaron-tava ary nitam-basy nikasa hifofo ny ainy.

 

 


Nivahiny tao amin’io radio tsy miankina io izy tokony ho tamin’ny 10h30 atoandro tamin’io fotoana io, saingy niseho ny zavatra tsy nampoizina. Afa-niala io depiote io, ary afaka nanaitra ny manodidina. Raikitra ny fifanenjehana saingy tafatsoaka ireo jiolahy ireo. Tsy fantatra mazava na lonilony politika no saika hifofoana ny ainy na asan-jiolahy tahaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana rehetra. Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika io toe-draharaha hafahafa io, raha ny fampitam-baovao. Marihina moa fa depiote lany tamin’ny anaran’ny lisitra tsy miankina Atoa Said Zakaniaina Mahafaly Joseph.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT