Depiote Bina voafidy tao Andramasina « Zava-doza ny tsy

fandriampahalemana any aminay »


  • Alarobia 22 Oktobra 2025

Very vola, nokapain'ireo mpanao ratsy ny

antsy ny tananan'ilay Ramatoa Lasa tsy mandry fahalemana ny mponina ao Andramasina. Mpivady mpivarotra mpambongady avy namonjy tsena isaky ny andro Sabotsy tao Ambohijanaka handeha hamonjy fodiana any Alatsinainy Bakaro no nisy nanafika ny Sabotsy 18 Oktobra hariva teo. Raha araka ny fanazavan'ny Dadafara Bina, Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana dia nafatotr'ireo tsy mataho-tody tao anaty kirihitra ny iray tamin'izy mivady ka lasany tamin'izany ny volabe. Ilay Ramatoa kosa rehefa tsy azon'izy ireo mora foana ilay gormety volamena teny an-tanany dia notapahiny mihitsy ka lasa ihany koa ilay firavaka. Fantatra moa hoy hatrany i Dadafara Bina fa nisy moto sendra nandalo ihany koa nandritra io fanafihana nahazo azy mivady io ka notifirin'ireo tsy mataho-tody avy aoriana. Naratra vokatr'izany ilay nanao taingin-droa avy aoriana. Notsiahivin'ity depiote ity moa fa efa ela no tsy nisy tranga tahaka izao intsony tany amin'ny duistrikan'Andramasina. Manahy zavatra hafa araka izany ny tenany izay hanaovany antso avo amin'ny mpitandro ny filaminana mba hanao ezaka haingana hahafantarana ireo mpanao ratsy. Nambarany moa fa mety olona tsy lavitra azy mivady ihany no nahavanon-doza no sady nahalala tsara ireo vola tany aminy. Andrasana ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana.
Pati
Légende : Dadafara Bina, depiote voafidy tao Andranamasina nanazava ny zava-misy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

  • Toamasina
  • Talata 14 Aprily 2026

Mpamily tuc tuc nanendaka, voasambotra

  • Halatra tariby
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Mpiasan'ny Jirama roa nidoboka am-ponja

Hijery ny tohiny
FTT