Fandriampahalemana

Dalle Itaosy Efa tongan’ny mpangarom-paosy, vehivavy iray no lasibatra


  • Talata 06 Aogositra 2019

Vehivavy iray indray omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora no ankon’ny ranomaso teny amin’ny Dalle Itaosy,

 

 

distrikan’Atsimondrano raha nanokatra ny pôketrany. Efa tsy tao amin’ny toerany intsony mantsy ny taratasim-bolany sy ny volany  rehetra niampy taratasy sy kojakoja maro samihafa fa lasan’ny mpangarom-paosy. Araka ny fanazavany, tsy hitany na reny akory ny nanokafan’ireo tsy mataho-tody ny pôketrany. Tsy niantsena na nividy zavatra anefa izy  fa nandeha  tsotra fotsiny saingy nandalo tsena be olona nifamezivezy kosa. Tsy nisy vola intsony tany aminy na dia ny hataony saran-dalana hiakatra hamonjy asa  tany an-drenivohitra aza.  Tokony ho malina hatrany isika rehetra manoloana ny tranga tahaka itony. Efa tsy misy toerana tsy ahitana mpangarom-paosy intsony mantsy eto amintsika amin’izao, eny fa na dia any ambanivohitra toa an’Itaosy aza.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT