Fandriampahalemana

Dahalo voatoraky ny lefona Tratran’ny zandary nitsabo tena tao Antsalova


  • Talata 09 Novambra 2021

Nitrangana fanafihana tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankiliabo, fokontany Saririaka, Kaominina ambanivohitra Antsalova, ny alakamisy lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

 Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby vitsivitsy. Taorian’ny nitrangan’ny fanafihana dia nanapa-kevitra ny tompon’omby sy ny fokonolona fa hanara-dia ireo dahalo. Misy mahalala anefa ny sasany tamin’ireo dahalo nanafika ka nezahin’ny tompon’omby sy ny fokonolona nokarohina fatratra. Nandritra ny fanenjehana ireo dahalo dia nisy iray tamin’ireo no voatoraky ny mpanara-dia lefona tao an-damosina ka vaky nandositra. Raha ny fanadihadiana, nitsoaka tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankilimahasoa ity dahalo voatoraka lefona ity. Nisy nahafantatra anefa izy io. Fantatra ny sasany tamin’ireo dahalo nanafika. Isan’ireo nanafika i Tavandray sy Papisy miaraka amin’ireo namany nirongo basy izay voamarin’ny fokonolona. Fantatra fa io Papisy io dia manana fianakaviana ao Andolobe, fokontany Antsalovabe, kaominina ambanivohitra Antsalova, izay malaza fa mpiaro azy ireo. Io olona io izay voalaza fa tena dahalo mampihorohoro olona hatry ny ela tao saingy izao vao misy fokonolona mahasahy mijoro mitory ny fianakavian’io olona io ireo lasibatra. Raha ny fantatra dia efa tsy any an-toerana io olona io ka izao mahatonga ireo lasibatra mahasahy mitory ny fianakaviany izao. Raha ny fitarainan’ireo olona any an-toerana dia tsy azo atao na inona na inona mihitsy ireo olona ireo satria mahasahy manafatra dahalo avy any atsinanana mihitsy izy ireo hanafika eo an-tanàna. Ilay lehilahy voatoraka lefona dia tratra nitsabo tena tao amina hopitaly tao Antsalova ary efa eo am-pelatanan’ny zandary ankehitriny. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity satria efa nandalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antsalova ny tatitra nataon’ny fokonolona momba ity fanafihan-dahalo sy halatr’omby ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT