Fandriampahalemana

Dahalo voasambotra saika hitsoaka Maty norarafan’ny zandary ny tifitra


  • Zoma 19 Jona 2020

Ny alarobia teo tokony ho tamin'ny 07 ora sy 10 minitra hariva dia nahazo antso ny Komandin'ny Tobim-paritry ny zandarimaria Analavory fa misy andian-dahalo manafika sy mangalatra omby 07 ao Bezoho fokontany Ankotrabe kaominina ambanivohitra Analavory, faritra Itasy.

 

 

Nahetsika avy hatrany ireo zandary tao, izay notarihin'ny Lefitry ny Komandin'ny Tobim-paritra ka nomena toromarika rehetra hiatrehana ny fahavalo. Nandeha moto moa ireo zandary ka haingana dia tonga teny an-toerana. Nanampy tosika tamin'ny fisamborana ihany koa ny vahoaka ka voasambotra ny dahalo roalahy. Nahitana bala roam bola tsy nipoaka tany amin’ny iray. Nentin'io dahalo io nanoro ny toerana nanafenany ny basy ireo zandary ka hita ilay basy vita gasy izay nafeniny tsy lavitra ny toerana nangalarany omby. Teny an-dalana hanoro ireo namany izy no nanita-kevitra nitsoaka nanararaotra ny andro maizina sy ny fahafehezany ilay toerana. Nanenjika ny zandary sady nampijanona no nanao tifitra fampitandremana in-telo saingy tsy nety nijanona ilay dahalo, ka voatery nitifitra azy. Naratra be ilay dahalo ka nohon'ny fahaverezan'ny ra be loatra dia namoy ny ainy. Tazonina hanaovana fanadihadiana ny iray velona, ary nalefa tao amin’ny tranom-patin’ny CSB II Analavory ilay maty.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT