Dahalo nirongo basy tao Tsiroanomandidy

Nanaovan’ny fiarahamonina angaredona


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Ny alin'ny 16 may 2024 lasa teo, tokony ho tamin'ny 10 ora sy 45 minitra no nanao fanafihana

tao amina tokantrano iray tao Bemahatazana, Tsiroanomandidy, ny andian-dahalo iray, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Niantso vonjy ilay tokantrano ka nanao angaredona nifamonjy ny fiarahamonina na dia nirongo basy sy fitaovam-piadiana aza ireto daholo. Tonga ara-potoana ihany koa ny zandary eto an-toerana ka raikitra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo daholo . Dahalo iray no maty voatifitry ny zandary tao anatin'ny fifandonana raha toa ka nanao tari-dositra ireo dahalo namany rehefa hitan'izy ireo fa tsy ahatohitra ireo zandary tao an-toerana. Tratra niaraka tamin’ity dahalo maty ity teny aminy ny basy lava vita gasy iray ary bala iray. Natolotra ny sefo fokontany ny razana taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo ary naverina tamin'ny tompony kosa ireo entana norobain'ireto dahalo ireto. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo nitsaoka ireo ary sahanin'ny tobim-paritra Bemahatazana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT