Fandriampahalemana

Dahalo nifanafika 3 no maty rotiky ny bala


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Tsy nisy alaharo fa tifitra variraraka no nahazo ny taksibrosy iray tao amin’ny kaominina Isandra distrikan’Ikalamavony ny talata lasa teo. Dahalo mirongo fitaovam-piadiana no nitifitra.

 

Tsy fanakanan-dalana izy ity fa efa nisy mihitsy ny olona notadiavin’ireto dahalo ireto, araka ny angom-baovao natao. Olona 3 no namoy ny ainy ka ny roa maty teo no ho eo tao anatin’ilay taksibrosy, mbola nifanenjehana ary avy eo notifirina mandra-pahafatiny kosa ilay iray. Voalaza fa dahalo ihany koa ireto 3 voatifitra ireto. Eo anelanelan’i Fianarantsoa sy Ikalamavony moa no misy an’Isandra ary ny lalam-pirenena faha-42 no mandalo ao aminy. Anisan’ireo faritra tena anjakan’ny dahalo iny faritra iny ary tena manana fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Tsy tena mbola fantatra mazava ny anton’ny fitifirana fa ny azo antoka dia efa mifamango ary tena tsy mifampitsitsy ny samy dahalo. Noho ny tombontsoa mifanitsaka ve sa misy ireo tsy maintsy vonoina mba hampanginana azy ? Manamafy hatrany ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa ilaina ny fampitana vaovao ara-potoana avy amin’ny tsirairay raha vantany vao misy ny zavatra mampiahiahy na eo an-tanàna na eny an-dalambe na any anaty fiara fitaterana satria manana ny paikady hampiasainy rehefa hanao ratsy na rehefa hitsoaka ny jiolahy.

 

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT