Fandriampahalemana

Dahalo narovana amin’ny fitsaram-bahoaka Nitsoaka ka maty voatifitra ihany ny farany


  • Talata 07 Jona 2022

Ny alin'ny 30 hifoha 31 mey lasa teo, tany ho any amin'ny misasakalina, niantso "Vonjeo" ramatoa Dadie, monina ao Antsirabe-Afovoany, distrikan’i Mandritsara, satria nisy olon-dratsy namaky sy niditra an-keriny ny tranony,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nifanenjehan'ny zandary ao amin'ny Toby ao an-toerana niaraka tamin'ny fokonolona ilay olon-dratsy avy eo ka tratra tao an-tanàna. Tsy iza io fa i Jean Be, dahalo ikoizana. Mpamerin-keloka ary fototry ny halatr'omby sy asan-jiolahy ao anatin'ny kaominina Antsirabe-Afovoany sy ny manodidina izy. Ny 3 jona lasa teo izy dia nentina niala ny tanàna, tokony ho misasakalina hihazo an'i Mandritsara, mba tsy ho hitan'ireo fokonolona nikasa mafy ny hanao fitsaram-bahoaka azy. Tokony ho tamin'ny 3 ora maraina, raha nandalo tao amin'ny toerana antsoina hoe Andrikarika, kaominina ambanivohitra Antsirabe-Afovoany, isan’ny faritra mena, dia nampiseho ny maha dahalo azy i Jean Be ka mbola tafaporitsaka ihany saingy lavon'ny balan'ny Zandary. Samy efa nanao ny asany na ianareo zandary na ny fitsarana fa io olona io mihitsy no tsy hiova ka aleo indray izahay vahoaka hanao ny anay, hoy ny hatezeran’ireo fokonolona. Niezaka nanavotra azy ny zandary ka nitondra azy amin’ny andro alina, mba tsy ho hitan'ny vahoaka kinanjo tsy nifanaraka tamin'ny eritreriny izany ka izao niteraka ny fahafatesany izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Diso kajy I Jean be, hoy ny zandary
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT