Fandriampahalemana

Dahalo nanafika CEG Ny tale maty voakapa famaky, ny vola lasa


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Tsy mialamina intsony ny tany ! Notafihin’ny andian-dahalo indray ny talen’ny CEG any alarobia-Bemaha, ny alin’ny alatsinainy 2 oktobra 2017 lasa teo.

Maty vokatry ny fira famaky nahazo ny lohany ity mpiasam-panjakana ity na dia saika hovonjena tany Ambositra aza. Araka ny loharanom-baovao avy tamin’ny mpiara-miasa taminy dia tokony ho tamin’ny 12 ora alina no tonga ireo andian-dahalo ka avy hatrany dia tsy nisy resaka fa ny vola saram-pisoratan’anaran’ny mpianatra no notadiavin’ireo dahalo ary tsy namelany raha tsy azony. Voalaza fa an-tapitrisany ihany ireo vola ireo satria mizara roa ny CEG dia ny ao amin’ny fokontany Ambohibary sy ny eo Alarobia, izay samy eo ambany fiadidiany. Tsy nionona tamin’izay ireo dahalo fa noraofiny ihany koa ny fitaovana tao an-tokantranon’ilay mpampianatra toy ny fahitalavitra sy ny kojakoja isan-karazany. Raha ny fantatra dia nisy naratra ihany koa ny zanak’ity tompon’andraikitra ity, saingy tsy misy atahorana ny ainy. Efa nentin’ny fianakaviny nody any Anjanampara-Betafo ny razana satria teny an-dalana hamonjy toeram-pitsaboana no nahafaty azy. Tapi-dalan-kaleha tanteraka ny Malagasy fa sady miady amin’ny tsy fandriampahalemana no miady amin’ny pesta ihany koa.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT