Fandriampahalemana

Dahalo miendrika lolo Lasa saina ny mponina


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Faritra mena amin’ny asan-dahalo ao andrefan’i Betafo, kaominin’Ambohimanambola, izay sady misy toeram-pitrandrahana volamena.

 Ny herinandro lasa teo dia nisy dahalo 9 lahy voalaza fa nanafika tao ary dia ireny fanaon’ny dahalo mitsoka kiririoka sy mitondra jiro fanao am-paosy mazava be ireny, tokony ho tamin’ny folo ora alina, no nataony. Vao nahita izany ireo mpihady volamena milasy any an-tsaha dia samy nanavotra aina fa lehilahy lehibe iray kosa no lasan’ireo dahalo. Tsy fantatra izay nitondran’ireo dahalo azy fa rehefa nazava ny andro dia raikitra ny fanarahan-dia ka ny alahady 17 septambra dia hita ilay rangahy efa tena reraka tany amin’ny lalana tokony ho tapakandro dia an-tongotra. Rehefa nahazo aina izy dia nitantara ny nanjo. Nambarany fa toa tsy olona ireo dahalo nitondra azy fa lolo. Hitany tsara sy fantany ny lalana nitondran’ireo dahalo azy raha ny fitantarany satria nandalo toerana fihadian’ny olona vato krisitaly tao Volavaky ary nambarany fa toy ny andro aman’alina no dian’izy ireo. Rehefa teny an-dalana dia gaga izy fa 2 lahy sisa niaraka taminy raha tokony ho 9. Rehefa nitaraina ho vizana izy dia nanondro vehivavy iray ireo dahalo ary nikopakopaka lamba io ka natonin’izy ireo. Namelatra lamba avy eo ilay vehivavy ary nampandriany ilay rangahy lehibe. Taorian’ny torimaso lalina nahazo azy dia tsy nahita na inona na inona izy rehefa taitra fa teo ambony vatolampy no hitan’ny olona efa tena reraka tokoa io. Tombanan’ny maro araka ho angatra na fanahy ireo dahalo nanafika tanàna satria tsy naka omby na nandroba, hoy ireo mponina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT