DAHALO AO ARIVONIMAMO

Olon-droa mpivady sy tovolahy iray


  • Zoma 02 Febroary 2024

Efa mian-dahy miam-bavy mihitsy ireo dahalo ao anatin’ny distrikan’Arivonimamo amin’izao.

Dahalo miisa 3 no tratra tany an-toerana omaly izay fantatra fa tena atidoha nikotrika ny halatr’ omby tany an-toerana. Nahazo fampitam-baovao avy tamin'ny olona tsara sitrapo ny zandary ao Ambatomanga fa misy olona mitazona basy tsy nahazoana alalana ao Ambatomanga izay tambajotra mpangalatr’omby. Rehefa voamarina ny vaovao dia nanao latsak'alina vao maraimbe ny zandary ny marainan'ny 31 janoary teo tokony ho tamin'ny 04 ora ka mpivady no tratra tao amin’ilay trano. Nodidinina mpitandro ny filaminana ilay tanana. Vokany, basy vita gasy calibre 9 mm iray miampy chargeur, kavin'omby miisa 19, nambon'omby efa maina miisa 02, silaka hoditr'omby efa maina ary antontan-taratasin'omby maromaro izay tsy misy ifandraisana amin'ireo omby ao aminy no tratra tao amin’ilay trano .Rehefa natao ny fanadihadiana tsotsotra azy mivady ireo dia nanonona ny namany iray izay monina ao amin'ny fokontany Manantenabe, kaominina Ambatomanga, mpanatitra omby halatra ao amin'izy ireo izy roakely. Natao ny vela-pandrika taorian’izany ka dia voasambotra ny 31 janoary atoandro teo ny lehilahy iray. Ao an-trano rahateo no hamonoan'ireo dahalo ny omby. Noentina avy hatrany natao andrimaso ao amin'ny biraon'ny zana-tobim-paritra Ambatomanga ireo olona 3 ireo mialoha ny hanolorana azy ny fampanoavana. Nogizana ilay basy vita gasy sy ireo porofo samihafa mahakasika ny halatra sy famotsian’omby.
Pati
Legende : Ireto izy telo tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT