Fandriampahalemana

Dahalo any Betroka Miravaka odigasy sy karandoha


  • Alakamisy 10 Oktobra 2019

Dahalo miisa 14 mitam-basy no nanafika tao Maromandroso kaominina Isoanala distrikan’i Betroka ny sabotsy 5 oktobra 2019 lasa teo, araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena.

 

 

Rehefa natao ny hetsika vonjitaitra nanenjehana azy ireo dia raikitra ny fifandonan'ny Zandary (USAD sy Isoanala) sy izy ireo ka lavo ny dahalo roa, ny iray azo sambo-belona miaraka amin'ny basy, mohara sy odigasy maro ary karandohan’olombelona iray fampiasan'izy ireo rehefa hanafika. Tafaverina avokoa ny omby fa ireo malaso sasany tafatsoaka. Tsy mitsahatra manao fisafoana ireo zandary any an-toerana manao hazahao ireo dahalo nandositra, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Ankoatra io, tany Tsaratanàna ihany koa dia dahalo roa miaraka amin'ny basy lava iray ihany koa no tratra ary omby 11 no efa tafaverina amin'ny tompony rehefa nanara-dia ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA sy ny fokonolona. Taorian'ny asan-dahalo nitranga tao Ambatobe distrikan'i Tsaratanàna ny 5 oktobra lasa teo no nahazoana io vokatra io. Efa natolotra ny zandary tao Tsaratanàna ireo dahalo ary mitohy ny fanadihadiana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT