Fandriampahalemana

Dahalo afaka mifanehitra amin’ny zandary “Misy fidirana bala an-tsokosoko eto”


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Efa nisy hatramin’izay ny doro tanety, hoy ny filohan’ny fikambanana Za Gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison, fa misy koa ny mamadika azy ho politika mba hamoronana tsy fahamarinan-toerana.

Ny resaka zava-mamoha henatra na “scandale” efa toy ny tandra vadin-koditra, hoy izy. Efa nisy foana io fa ny fivoaran’ny tekinolojia no nahatonga ilay izy ho hita isan-kerinandro raha isam-bolana, ohatra, izany no hita tamin’ny andro ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina. Vao tsy ilaozan-kasokasoka ny fiarahamonina ary tonta tsy ilaozan-dromoromo. Mivoatra ny fampitam-baovao ary miha haingana ny fahazoana vaovao. Anaty fotoana fandoroan’ny gasy tanety mihitsy izao fa hatramina velaran-tany tsy heritreretina nefa izao may avokoa. Azo heritreretina ihany noho izany hoe iraka ve ilay olona nandoro sa tena mpamboly? Raha iraka mantsy izy dia azo heritreretina tokoa hoe misy hifandraisany amin’ny fanakaikezana ny vanim-potoam-pifidianana. Amin’ny maha mpahailalana ny tena dia misy zavatra tokony ampahalalana ny vahoaka eto mikasika ny lalana. Afangaro eto ny filazam-baovao sy ny heloka izay enjehin’ny lalana. Raha mandray ohatra an’I Mahery Lanto Manandafy aho izao. Raha apetraka izao ilay nataony hoe fanalam-baraka olona dia mipetraka izay zavatra izay amin’ny fotoana voalohany. Aiza ho aiza ny fanadihadiana izay tokony hira zotra amin’ny zavatra ambaran’ireny olona ireny? Anjaran’ny tomponandraikitra ny manadihady satria zavatra ngezabe eo amin’ny firenena ilay izy hoe mivarotra bala. Amin’ny maha efa zandary ny tena dia zava-doza satria famonoana mpiray tanindrazana izany fahaverezana basy na bala izany. Maha voasazy, maha voaroaka, mampigadra. Misy fidirana bala an-tsokosoko eto matoa ny dahalo afaka mifanehitra amin’ny zandary. Tokony hiomana hiatrika ny fiainam-pirenena amin’ny 2023 isika. Ho hitantsika eo moa hoe iza no tokony ho tohanana, amin’ny maha olompirenena, rehefa hisy hiteny hoe hilatsaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT