Fandriampahalemana

Dahalo 2 voasambotra tany Antsiranana Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana


  • Talata 27 Febroary 2018

Nandriaka indray ny ra vokatry ny fitsaram-bahoaka tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Sadjoavato, any Antsiranana omaly alatsinainy 26 febroary.

 Dahalo raindahiny miisa 2 no voasambotry ny olona tany an-toerana omaly tokony ho tamin’ny 7 ora. Nofatorana, ary narahin’ny vono sy fandratrana tsy ankitsitsy, hany ka afaka hatramin’ny ainy. Nihosin-dra tanteraka ireto nambara fa dahalo voasambotra ireto. Tsy mahakoditra ny olona intsony ny manala ain’olombelona mitovy aminy sy mahita ra mandriaka. Mety ho vokatry ny rotorotom-piainana, ka zara aza misy zavatra hamaharana sy hanamparana ny hatezerana. Eo ihany koa ny resaka tsy fahatokisana ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana. Ny mahagaga sy mahatalanjona, dia tsikaritra ho mangina tsy andrenesam-peo ny mpitondra fanjakana amin’ireny raharaha fitsaram-bahoaka ireny. Sanatria ve ka zara aza misy an’izany mba hanariana dia ny vahoaka amin’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra mahatofoka azy ? Ny fahanginan’ny mpitondra eo anatrehan’ny efa zava-doza mihatra eny anivon’ny fiarahamonina, dia raisin’ny maro ho fanamaivanana ny heloka niseho. Karazan’ny vitavita ho azy ny raharaha fitsaram-bahoaka maro, ka tsy atao mahagaga raha vao mainka manao izany ny olona satria goragora ny fampanajana ny lalàna sy ny fandraisana andraikitra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT