DADABE LEONARD

Maty nisy namono tao an-tranony, tsy nisy lela sy maso intsony


  • Talata 29 Oktobra 2024

Raim-pianakaviana tena be mpahalala eny Ambodiampanga, Fokontany Antanetibe, Kaominina Ambohidrapeto,

distrikan’Atsimondrano Rakotoarison Leonard na i Dadabe Leonard, fantatry ny maro amin’ny anarana koa hoe : Ra Leonard. Hita faty tao ambony rihina tao amin’ny trano hipetrahany izy afak’omaly Alahady maraina. Raha araka ny vaovao azo dia efa tsy teo intsony ny masony 2 sy ny lelany rehefa nojerena nandritra ny fotoana nahitana ny razana. Vao tamin’ny Sabotsy alina lasa teo anefa no fantatra mbola nisakafo sy niresaka tsara tamin’ny manodidina ny tenany. Manahy mafy ny mety fisian’ireo mpangalatra taova tonga eny amin’iny faritr’Itaosy sy ny manodidina iny ny mponina manoloana izany. Fantatra moa fa efa mandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana. Manodidina ny 80 taona eo ho eo Dadabe Leonard izao nindaosin’ny fahafatesana izao ary mipetra-drery.
Pati
Legende : Itompokolahy fony fahavelony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT