Fandriampahalemana

Cybercriminalité Olona telo no voasambotry ny polisy


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Nihasarotra tanteraka tato ho ato ny asa natrehin’ny mpitandro ny filaminana manoloana ny fikarohana ireo jiolahy eto amintsika amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny antso hataon’izy ireny.

Voafaoka ao anatin’izany avokoa ny toerana niavian’ny antso, ny laharam-pinday nampiasainy na ho an’ireo mpaka an-keriny na ho an’ireo mpanafika mitam-piadiana. Niroso tamin’ny fanangonam-baovao ny polisy misahana ny ady heloka be vava fahefatra taorian’izay ka fantatra fa misy olona afaka manova laharana IMEI( International Mobile Equipement Identily) eny Analakely. Samy manana io laharana mampiavaka azy io avokoa ny finday rehetra raha araka ny fantatra rehefa tsindrina ny *#06#. Raha sanatria ka very ny finday iray dia fantatra avy amin’io IMEI io izay laharana vaovao hampiasaina amin’ilay finday. Tsy nijanona teo anefa ny mpitandro ny filaminana fa nidina tampoka teny Analakely ny 19 jolay lasa teo ka olona telo no voasambotra izay mpanova io IMEI io mba hiarovana ireo olon-dratsy. Vehivavy iray mpitantana orinasa mikirakira finday ny iray ary lehilahy tompona kiosque sy manampy azy iray no voasambotra. Niaraka tamina fitaovana maromaro toy ny solosaina enti-tanana miisa 7, disques dures externes miisa dimy…. izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo moa dia   niaiky ny heloka vitany izy 3 mianadahy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT