Fandriampahalemana

Cimetière Anjanahary Noraisim-potsiny ireo mpanendaka roalahy


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP3 Antaninandro ny lehilahy roa samy 18 taona rehefa nanendak’olona teny akaikin’ny Fasana Anjanahary.

Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Mba hisorohana ireo trangana asa ratsy mety hiseho eny an-toerana raha tsiahivina dia nametraka paikady ny tompon’andraikitry ny Filaminam-bahoaka misahana iny faritra iny. Nasiana Polisy avokoa ireo izay heverina fa mety hisian’izany. Tena nahitam-bokany tokoa ny hetsika . Vehivavy iray hamonjy fodiana mantsy no narahina lehilahy miisa roa avy aoriana. Nataon’izy ireo tao afovoany ilay vehivavy ka rehefa voatery handeha hanararaotra amin’izay izy ireo dia tsikaritry ny Polisy nanara-maso teny amin’ny manodidina ka noraisim-potsiny. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy roalahy ireto taorian’ny niakarany teny anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT