Fandriampahalemana

CGM Analakely Vaky ny biraon’ny Tale, very ny “Unité centrale”


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Namoaka fampitam-baovao ho an’ny besinimaro ny Goethe Zentrum - Antananarivo/Cercle Germano-Malagasy na CGM izay manana ny Foibeny etsy amin’ny Immeuble Ifanomezantsoa Analakely Antananarivo 101 omaly 14

septambra 2022, fa nisy namaky ny Biraon’ny Talen’ity Ivon-toerana ity. Tranga niseho ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia io. Vokany, very tamin’izany ny “Unité central” an’ny solosaina tao amin’ny birao. Mirakitra dosie sy antontam-baovao saro-pady io, ka tompon’andraikitra feno izay mampiasa izany, hoy ny fanamarihana. Fehezin’ny lalàna momba ny fizaka-manana ara-tsaina ihany koa ny pitsopitsony sy ny fampiasana ireo antontan-kevitra sy atotam-baovao ao anatin’io solosaina io. Miantrana eo anatrehan’ny fakam-panahy sy finiavana hampiasa tsy ara-drariny sy hosoka an’ireo ihany koa ny Komity mpitantana ny CGM. Hisy ihany koa ny fanenjehana araka ny lalàna sy ara-pitsarana ireo olona rehetra tafiditra ao anatin’io raharaha io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT