Fandriampahalemana

CB vaovao any Tsaratanana Nofofoin’ny jiolahy sahady ny ainy


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Vao notendrena ho CB na « Chef de Brigade » ao Tsaratanana, ny CP, Chef de poste avancé tao Sarobaratra.

 

 Fantatr’ireo jiolahy any an-toerana tsara ny fahaizana sy ny hakingan’ity zandary ity. Inoana fa izay no antony ifofoan’izy ireo ny ainy sahady na tsy mbola namonjy ny toerany ao amin’ny Borigady aza izy. Io no fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Ratsimandrava, afak’omaly. Voatifitra niaraka tamin’ireo sivily 4 tompon’ny fiara nandehanany io CB vaovaon’i Tsaratanana io raha hitsirika ireo olom-peheziny mahakasika ny fanakanan-dalan’ireo dahalo. Tsy tonga tany an-toerana akory izy dia efa notsenain’ny dahalo tamin’ny tifitra variraraka. Niezaka nandeha mafy nandositra ilay mpamily saingy noho ny haratsin’ny lalana dia nidofotra tamin’ny rindrin-tany ny fiara ary nivadika ka potika ny fitaovam-piadian’ilay zandary ary voatifitra ny tanany. Namaky ny fitaratra anoloana ity farany ary nandrangaranga basy hitifirana. Nony nahita ny basy ireo olon-dratsy dia rifatra nandositra avy hatrany. Ilay zandary koa lasa niantso namana. Nandritra izay, niverina ireo jiolahy fa ireo sivily no teo. Tonga haingana anefa ireo ekipa notarihin’ny CB Ambondromamy ka vao nahare ny feon’ny fiaran’ireto farany ireo dahalo, nirifatra nitsoaka avy hatrany. Nentina nihazo fitsaboana vonjimaika tao Ambondromamy ireo naratra. Ny 4 nalefa any Mahajanga f       a ilay iray tena voa mafy nakarina aty an-drenivohitra. Mihorohoro ireo mponina manodidina any an-toerana raha nahare fa na ny zandary aza voatafika. Tamin’ny herinandro teo no nosoloina avokoa ireo mpifehy ny zandary rehetra voakasiky ny kidnapping tao Tsaratanana, nanomboka tamin’ny Lehiben’ny Borigady ka hatramin’ny vondron-tobim-paritra Betsiboka sy ny mpibaiko any amin’ny fototra.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT