Fandriampahalemana

Cash point voatafika tao Toamasina Olona iray no maty, lasa ny 6 tapitrisa Ar


  • Zoma 20 Janoary 2023

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Lehilahy iray antsoina hoe : Voriolo Fidelis no maty notifirin’ny jiolahy omaly tokony ho tamin’ny 09 ora latsaka dimy minitra maraina rehefa nanavotra

ny zanak’anabaviny avy naka vola tamina cash point iray teo akaikin’ny scolopendre. Ao Ankirihiry io lehilahy io no mipetraka. Roalahy nandeha moto nibaby sakaosy fanaony an-damosiny ireo voatafika ka ilay iray saika voatifitra io voaharon’ny havany io. Tany amin’ity farany mantsy no niantefa ilay bala. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ilay sakaosy izay nisy vola 6 tapitrisa Ar. Miisa telolahy indray ireto farany izay fantatra fa nandeha moto ihany koa. Nitsoaka sady nanao tifi-danitra niditra tany amin’ny Cité Valpinson tany ireo jiolahy rehefa vitany ny nataony. Tifitra teo amin’ny kibony moa no nahafaty ilay lehilahy nanavotra ny zanak’anabaviny io. Tsiahivina moa fa lasibatry ny jiolahy hatramin'ny Préfet-n’i Toamasina Andriamatoa Jean José Ambinintsoa. Nijanona naka toerana ny fiaran’ity tompon’andraikitra ity ny 18 Janoary teo. Akory anefa ny hagagany fa tsy vaky ny fitaratra saingy maro ireo zavatra very.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy milamina ao Toamasina ao amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT