Fandriampahalemana

Cash point tetsy 67 Ha Nalain'ilay rangahy tsimoramora ny vola 4 tapitrisa Ar


  • Talata 21 Aprily 2020

Tsy vao voalohany ity rangahy ity no nanao " Transaction" teo amin'ny cash point iray tetsy 67 ha .

 

 

 

Tamin'ity indray mitoraka ity dia hitan'ilay rangahy ny fitoeram-bolan'ilay tompona cash point ka rehefa varimbariana ity farany dia nalainy moramora ny lelavola mitentina 4 tapitrisa Ar. Niala moramora teo amin'ilay toerana ilay rangahy saingy hitan' ilay tompona cash point ireo vola nanjavona sy ny fihetsik'ilay rangahy niala teo aminy ka raikitra ny fifanenjehana. Tao anatin'izany fifanenjehana izany no nifanena tamin'ireo polisy manao fisafoana ity rangahy ity ka dia noraisim-potsiny. Nentina avy hatrany tany amin'ny biraon'ny polisy nanaovana fanadihadiana ilay rangahy ary efa naverina tany amin'ilay tompona cash point avokoa ireo vola nangalariny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT