Brickaville

Nanamboarana fandrika manokana ilay biby malazabe


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Tsy mitazam-potsiny manoloana ny fisian’ilay biby mihinana biby fiompy

toy ny omby ao Brickaville ny eo anivon'ny DRAE Atsinanana (Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy Fiompiana) sy ireo tompon'andraikim-panjakana any an-toerana, hotronin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona.Vahaolana noraisin’izy ireo ny hamandrika ilay biby mpihinana izay heverina ho "Fosa" aloha izy io hatreto. Nisy araka izany ny fandrika (Piège) namboarina manokana tany Toamasina izay nandramana tamin’ny alika ka hita fa nahomby. Ho asiana biby velona toy ny akoho amam-borona ao anatin'io fandrika io, asiana taovan-kena efa misy fofona ihany koa mba hanintona ilay biby hofandrihana. Teknisiana vahiny iray niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Atsinanana no niketrika azy io.Efa nalefa any Brickaville io fandrika io tamin’ny Alahady teo. Apetraka amin’ny toerana heverina fa hahafahana manatratra azy amin’io fandrika ilay biby no sady nasiana Camera mazava alina ihany koa. Mivory tsy tapaka hatramin’ny Alahady teo ireo tompon'andraikitra voakasika any an-toerana mandinika hatrany ny fitadiavam-bahaolana mahomby kokoa hiarahana amin’ny fokonolona any an-toerana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny endrik’ilay fandrika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT