Fandriampahalemana

Brickaville Mpangalatra taolam-paty 5 lahy no tratra


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Lehilahy miisa 05 indray no saron'ny zandary avy ao amin'ny Poste Avancé Antsampanana distrikan'i Brickaville afak’omaly alatsinainy 05 desambra tokony tamin'ny 11 ora maraina rehefa nangalatra taolam-paty.

Loharanom-baovao avy amin'ny olona tsara sitrapo no nahazoana vokatra. Fiara mpitatitra iray mampitohy an'i Mahanoro sy Toamasina no nahatrarana ireo taolam-paty ireo. Natao tao anatina gony dimy ireto farany izao mody nasiana "charbon" sy valizy 02 samy efa feno taolam-paty avokoa. Miisa 397 kosa ireo taolam-paty natao tao ambonin’ny tafon'ilay fiara. Tany amin’ny distrikan’i Nosy Varika tany moa raha araka ny fantatra no nitrangana vaky fasana. Saika hoentina any amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimadinika-Toamasina II, araka izany ireto taolam-paty ireto no izao tra-tehaka izao.Voatery notazonina niaraka tamin'izy dimy lahy mpangalatra taolam-paty ireto araka izany ny mpamilin’ilay fiara sy mpanampy azy, ary nentina nankany amin'ny "Compagnie territoriale de la gendarmerie" Toamasina natao famotorana lalindalina kokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto ireo taolam-paty tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT