BRICKAVILLE

Mitsangana toy ny olona ilay biby nandratra olona


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Mitsangana toy ny olona ilay biby hafahafa mitroka ra any Brickaville.

Fotsifotsy madiobe ny orony raha rakotry ny volo kosa ny masony. Na izany aza manana tongotra efatra izy raha araka ny fanazavan’ny Raim-pianakaviana iray izay noratrainy tany an-toerana afak’omaly Talata hariva tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro tao amin’ny Kaominina Ranomainty. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandeha tany an-tsaha io Raim-pianakaviana io. Nijoko azy avy any aoriana ilay biby nandritra izany ka voatery nampiasa ny antsy teny an-tanany izy. Mba niaro tena koa anefa ilay biby ka ny tongony no norangotiny mafy. Lava hohobe mantsy ity biby ity raha araka ny fanazavany hatrany. Niady mihitsy izy roalahy nandritra izany saingy samy nitady lalana nanavotra ny ainy taorian’izay. Raha vantany vao tonga tany an-tokantranony anefa ilay lehilahy dia nihamafy ny fanaintainan’ilay tongony ka torana izy, antony nitondra azy tao amin’ny hopitaly CHRD Brickaville. Na izany aza efa nivoaka soa aman-tsara ny anaolahy. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana moa ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana mba hahafahana misambotra ity biby ity na maty na velona fa tena mampahory vahoaka loatra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT