Fandriampahalemana

Boriboritany fahatelo Manjaka ny tsy fandriampahalemana


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

3 andro misesy izay eo amin'ny 6 maraina eo foana no misy ny voaendaka eo Ambatomitsangana, hoy ny fampitam-baovaon’ny mponina eny an-toerana.

Avy manendaka eo amin'io arabe io izy dia mitsoaka midina mankany Behoririka amin'ny lalana mivoaka amin’ny BFV, hoy ny fanazavana. Mitandrema isika izay mandeha maraina. Ny alarobia 20 aprily dia feno rà mandriaka ny tohatra hidina an’i Behoririka ka avy eo amin'io arabe io nanomboka feno rà ka hatrany ambany ivoaka an’i Behoririka. Ny 21 aprily tamin’ny 6 ora, raiamandreny mipetraka eo ihany no andeha hividy mofo maraina ka notsenain-drizareo ary lasa ny peratra volamena sy famerim-bola 6000 Ariary. 22 aprily, tamin’ny 4 ora maraina dia nisy mpivady kely andeha hivarotra hani-masaka manosika sarety misy fatana efa mirehitra sy kojakoja no notafihany ka niantso vonjy ilay raim-pianakavina sady nanohatra ka nitsoaka izy ireo sady teo ampovoan'ny arabe no nisy azy ireo sy ny sarety ka tonga dia mibahana fiara raha nisy nandalo . Boriboritany fahatelo no misy antsika eto, hoy hatrany ny fitantaran’ny mponina ity tsy fandriampahalemana manjaka ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT