Fandriampahalemana

Boriborintany faha 4 Manafika tranona mpitandro filaminana ny tontakely


  • Talata 11 Aogositra 2020

Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango ny mponin’ny boriborintany faha 4, hoy ny solombavambahoaka ao an-toerana, Emilien Ramboasalama, satria fokontany miisa 6 izao tao anatin’ny tapa-bolana no nandalovan’ny mpamaky trano sy mpamono olona. Sahy manafika tranona mpitandro filaminana ireo tontakely.

 

 

 Noho ny tsy fahampian-tsakafo sy fahantrana aterak’ity Coronavirus ity dia lasa ny ala-botry sy ny fitadiavam-bola no mahatonga ilay tsy fandriampahalemana. Tao amin’ny fokontanin’Ankaditoho Marohoho, ohatra, izao dia amin’ny andro alina no hamoahan-drizalahy ny omby ao am-bala. Vonoiny dia esoriny ny nofony dia ajanony ny taolana sy taova fa izay azo bataina atao anaty gony no entiny. Tokantrano iray tsy lavitra eo, Akoho 15 isa sy kojakoja an-dakozia no lasa ary nisy faharatrana olona mihitsy. Teny Anosipatrana, olona mitondra vola 7 tapitrisa ariary no nenjehina tamin’ny moto dia avy eo nentiny nitsoaka ny vola. Soa fa tratry ny manam-pahefana. Santionany ireo fa dia miangavy sy miantso ny mpitandro ny filaminana tena hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary any anaty elakelantrano no tena tokony hanaovana izany, indrindra, mandritry ny “couvre feu”. Tadidio tsara fa mahafantatra ny ataon’ny mpitandro filaminana ireo tontakely ka tsy hangalatra sy hamaky trano eny amin’ny lalambe na arabe mihitsy, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT