Fandriampahalemana

Betsaka ny tsy an’asa lasa tontakely “Ringana ireo jiro manazava ny tanànan’Alasora”


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Velon-taraina mafy ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy. Mirongatra izaitsisy mantsy ny hala-botry ao an-toerana ka ankoatra ny vaky trano

dia lasibatra daholo ihany koa ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro vao napetaky ny kaominina. Efa mihoatra ny 100 no very hatreto raha araka ny fanazavany omaly antony manosika azy sy ny ekipany tsy hanohy izany intsony fa hiezaka hametraka ny jiron’ny JIRAMA amin’ireo tokantrano mbola tsy manana izany sy ireo elakelan-trano manazava ny lalana falehan’ny mponina isan-kariva. Notsindrian’ity Ben’ny tanana ity manokana moa fa vokatry ny tsy fananan’asa avokoa no manosika ireo tanora ao Alasora handroba sy hangalatra tahaka izao, tranga izay hiainan’ny faritra maro eto amintsika. Ho an’ilay tovolahy tratra farany teo ohatra dia nentiny nilokana ny vola azony tamin’ny halatra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro nataony teny an-toerana. Na izany aza ireo Fokontany tsy mametraka ny andrimasom-pokonolona no nambaran’ity Ben’ny tanana iray ity fa tena ahitana izany. Ho an’ireo fokontany miezaka manaja sy mametraka io rafitra io kosa dia vitsiana ireo lasibatra, antony mbola hanaovan’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana fanentanana hatrany. Manampy ihany koa mantsy izy ireo fa tsy mipetra-potsiny saingy any amin’ireo fokonolona no tena herin’izany.
Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT