Fandriampahalemana

Betroka Mpamily iray sy ny zanany lahy lavon’ ny jiolahy


  • Alarobia 24 Jona 2020

Mpamily iray 50 taona sy ny zanany lahy mbola 19 taona monja no maty novonoin’ny jiolahy efa-dahy. Hihazo aty Antananarivo izy mianaka mpitatitra tantely sy “baie rose” raha niala tany Taolagnaro.

 

 

 

 

Araka ny fanadihadiana natao dia niara-dàlana ireo Jiolahy nahavan-doza sy ilay mpamily miaraka amin’ ny zanany. Rehefa niditra tany Ianabinda ilay kamiao dia tsikaritry ny Fokonolona fa nisy nanipy razana avy eny ambonin’ ilay kamiao ary nahatonga azy ireo nanaitra ny manampahefana voakasika ny Filaminam-bahoaka. Nisy avy hatrany ny fikarohana ka sarona tao Ianabinda, 35 km miala an'i Betroka, tao anatina Fiara 4x4 iray ireto mpanao ratsy. Noentina avy hatrany tany Betroka natao famotorana izy ireo. Fantatra ihany koa fa mbola karohina fatratra ireo namany sy ireo ati-doha niray tsikombakomba amin'izao vono olona izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT