Fandriampahalemana

Betongolo Mpandeha iray no voaendaka tao anaty taxibe


  • Zoma 12 Mey 2023

Mila malina hatrany amin’izao na dia ao anaty taxibe aza. Efa tongan’ny mpanendaka hatrany anatin’ireny fiara fitanteram-bahoaka ireny mantsy.

Olona iray no fantatra fa voaendaka omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany teny amin’ny Chapelle Militaire. Lehilahy miisa 2 voalaza fa nitondra antsy lava no nanatanteraka izany tao anatin’ilay taxibe. Niakatra teo amin'ny Station Total Bel Air izy ireo ary tsy nety nipetraka teny amin'ny toerana malalaka fa namonjy ilay olona voaendaka io. Lehilahy bokona izay tena ngeza sy lehilahy mahia efa lehibe raha taonany izy ireo. Noteren'izy ireo tao afovoany ilay olona hoy ny fitantarany ary rehefa tery dia nambanan'ilay somary kely tamin'ny antsy ny kibony no sady notereny mba hamoaka ny vola sy ny finday tao anaty poketrany. Ilay iray ngeza kosa nandritra izany manakona ny olona tao anatin’ilay taxibe. Rehefa azon'ireo tsy mataho-tody ny vola sy ny finday tany aminy dia lasa izy ireo . Miantso ireo olona mpitaingina taxibe rehetra ity olona lasibatra ity noho izany mba samy hitandrina. Raha araka ny nambarany dia niezaka ny nitady vonjy tao amin’ny toby miaramila izy saingy tsy nisy niraharaha.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT