Fandriampahalemana

Betania Tanambao Toliara Tokantrano iray nahitana fatin-dehilahy tsy fanta-piaviana


  • Alatsinainy 12 Desambra 2022

Lehilahy tsy fanta-piaviana efa namoy ny ainy ary namofona no hita faty tao amin’ny Fokontany Betania Tanambao Bevolavo, Toliara omaly maraina.

Olona mifanefitra trano amin’io tokantrano nahitana ny razana io no nahatsikaritra fa misy fofona hafahafa mivoaka avy eo akaikiny, antony nahitana ilay vatana mangatsiaka. Raha ny vaovao sy ny filazan'ny manodidina anefa dia tsy tao an-toerana ny tompon'ny trano nahitana ny razana. Mahagaga araka izany ny nahatafidiran’ity lehilahy hita fary ity tao amin’ io trano io. Eo an-danin’izay dia tsy fianakaviana izy no sady tsy naman’ilay tompon-trano hoy hatrany ny vaovao. Miantso ireo olona izay mahalala an-dRatompokolahy araka izany ny mponina ao an-toerana mba hanatona ny Filoham-pokontany ao Betania Tanambao. Marihina moa fa nahitana ratra ny razana, antony nampamofona azy haingana. Ny andro rahateo efa tena manafa be izaitsizy ao Toliara ao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay razana hita tao an-tokantranon’olona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT