BETANIA MORONDAVA

Vehivavy maty voatifitry ny miaramila tsy nahy


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Vehivavy iray no fantatra fa maty voatifitry ny miaramila tsy nahy,

afak’omaly alatsinainy 18 martsa tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro tany Betanira Morondava, Faritra Menabe. Nisy miaramila nilalao basy no sady nisotrosotro teo ivelan'ny trano fisotroana iray tao Betania Morondava tamin’io fotoana io. Nandritra izany no sendra voakitika tampoka ilay détente hoy ny vaovao ka nahavoa nahafaty an'ilay vehivavy mitondra vohoka izay nahandro sakafo teo ivelan'ny trano tsy lavitra teo. Raha araka ny vaovao hatrany dia efa niteraka roa ity Renim-pianakaviana namoy ny ainy ity dia zazalahy 16 taona sy 7 taona. Nihafara tamin’ny fanaovana raharaham-pihavanana moa ny raharaha. Raha araka ny loharanom-baovao azo hafa ihany koa dia nisy mpampianatra iray nofelahin'ny miaramila tsy tamin’antony ary niafara tamin'ny raharaham-pihavanana ihany koa, tany Betania Morondava afak’omaly maraina. Ny alin'ny Alahady 17 Martsa teo koa vehivavy nitondra vohoka 8 volana no voalaza nodarohan'ny miaramila tao Bevava, kaominina Aboalimena, distrikan'i Belo Sur Tsiribihina ary avy hatrany dia nentina tany aminy hopitaly ka mbola arahi-maso ny fahasalamany hatramin’izao. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra mifehy ny miaramila eto amintsika mba hijery akaiky ny mikasika ny daroka sy fitifiran’olona hataon’izy ireo any amin’iny Faritra Menabe iny.

Efa nihaona mivantana tamin'ireo fianakavian'ny mana-manjo, no sady mandray an-tanana manontolo ny fikarakarana rehetra ny Tafika, hoy kosa ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hojerena ihany koa ny fanampiana ireo zaza navelan'Itompokovavy. Nanao fanamarihana ny teo anivon'ny fianakaviana fa tsy nitondra vohoka ny maty, fianakavian'izy ireo ihany koa ity miaramila nahatifirra tsy nahy ity, hoy hatrany ny Minisitera.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT