Fandriampahalemana

Betafo Vakinankaratra Nohamafisina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Sesilany ny fitarainan’ny vahoaka ao Betafo Vakinankaratra manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao an-tanàna sy amin’ireo Fokontany manodidina.

 

 

 

 Halabotry, vaky trano ary manomboka miseho ihany koa ny halatr’omby. Ny tsy fisian’asa nateraky ny fihibohana efa dimy volana izay, no anisany miteraka tsy fandriampahalemana hoy ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitr’i Betafo, Randriatahinamalala Livasoa. Nandray ny andraikiny ity farany ka namory ireo tompon’andraikitra misahana ny filaminana ao an-toerana ahitana Polisy, Zandary ary ireo kartie mobila ary ny sefom-pokontany ny zoma 4 septambra teo. Niaiky ny rehetra fa samy tompon’andraikitra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tapaka fa hamafisina ny andrimasom-pokonolona isaky ny Fokontany, haverina indray ny fampiasana ny bokim-bahiny izay apetraka any amin’ny Vaomieran’ny Fokonolona, hamafisina ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny alina. Hamafisana ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 2ora maraina. Toy izany koa ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana satria mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana amin’izao fotoana izao.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT