BETAFO

Jiolahy roa nanafika mpandraharaha lavon’ny bala


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ireo jiolahy etsy an-daniny mihamahery

setra ihany koa toy ny zava-nitranga tany an-tampon-tananan’i Betafo ny faran’ny herinandro teo. Jiolahy manodidina ny 7 no nikasa hanafika mpandraharaha iray tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Basim-borona vita gasy iray, bala kalibra 12 miisa 5, antsy lavalela sy fibara be iray no nentin’izy ireo. Efa fantatr’ireo zamdary any an-toerana anefa ny fisian’izy ireo ka miisa 6 ireto farany niandry ny nandalovan'ireo jiolahy. Nipaika tokoa ny tamin'ny 9 ora alina, tena nandalo ireo jiolahy. Nomena fampitandremana mba hijanona izy ireo nandritra izany saingy tifitra avy hatrany no setriny. Mba nitifitra ihany koa ny zandary noho izany ka roa avy hatrany no taraiky tsy nisy solika intsony ny vatany. Lasa nitsoaka nirifatra kosa ireo namany miisa 5 izay mbola karohina hatramin’ny omaly hariva fotoana nahazoanay ny vaovao.
Pati
Legende : Misy hatrany ireo jiolahy mahazo tapakila mandeha any amin’ny varo tsy mifody !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT