Fandriampahalemana

Beravina Morafenobe Zandary iray matin'ny dahalo


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Lavo nandritra ny fifandonana tamin'ny andian-dahalo mitam-piadiana mahery vaika ny zandary kilasy faharoa Rafanomezantsoa Andrinirina Thierry Célestin, ny zoma 17 aprily teo tokony tamin'ny 05ora sy sasany hariva,

 

 

 

  tao amin'ny vavaranon'i Manambolomaty kaominina ambanivohitra Ankondromena, distrikan’i Miandrivazo faritra Menabe. Raha tsiahivina dia nisy trangana halatr'omby tao Andranovory, kaominina Beravina, distrikan'i Morafenobe ny alakamisy 16 aprily teo tokony ho amin'ny 04ora sy sasany hariva. Anisan'ny voatendry hanatanteraka ny fanarahan-dia noho izany izy no izao lavo izao raha nifanehitra tamin'ireo dahalo. Ny zandary kilasy faharoa Rafanomezantsoa Andrinirina Thierry Célestin, niasa tao amin'ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Beravina dia nivoaka avy amin'ny andiany faha 72 CFEG Ambositra, 29 taona, namela mananon-tena sy kamboty kely iray vao roa taona. Notolorana mari-boninahim-pirenena izy ary voahosotra ho "Zandary kilasy voalohany". Natolotra ny ankohonany ihany koa ny "prime" ho amin'ny fiahiana sy fankaherezana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT