Fandriampahalemana

Ben’ny tanànan’Ambavahaditokana Miantso ny mpitandro ny filaminana tsy ho variana amin’ny COVID 19


  • Zoma 17 Aprily 2020

Saika any amin’ny ady amin’ny coronavirus avokoa na ny COVID 19 no mitodika ankehitriny ny mpitandro ny filaminana.

 

 

 

Na izany aza anefa dia tsy azo hamaivanina ihany koa ny asa tena hiandraiketan’izy ireny dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Manoloana izany tranga izany dia manao antso avo amin’izy ireny ny Ben’ny tananan’ny kaominina Ambavahaditokana Ratoetrarinanja Jean Louis. Ny samy vahoaka madinika ihany mantsy raha araka ny fanazavany no mifanamboatra amin’izao noho ny hasarotan’ny fiainana. Ho an’ny kaominina izay tantanany manokana dia nomarihiny fa nirongatra ny hala-botry tato ho ato. Samy miezaka mitady izay harotsany avokoa mantsy ny isan-tokantrano noho ny tsy fisian’ny asa raha misy ihany koa ireo niasa ihany fa voaraoka mihitsy ka tsy mahita izay hiantsapazana intsony. Na izany aza anefa hoy hatrany ity Ben’ny tanana iray ity dia mbola tsy nisy ny fanafihana mitam-piadiana na vono olona nitranga hatreto tao amin’ny faritra iadidiany hatramin’ny nahavoafidy azy ho Ben’ny tanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT