Fandriampahalemana

Ben’ny tanàna maty voatifitra Voasambotra Rabiby lehiben’ny dahalo


  • Zoma 20 Septambra 2019

Volana vitsy taty aoriana, nahitam-bokany ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny teo anivon’ny zandarimaria.

 

 

 Voasambotra, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania, ny lehiben’ny dahalo sy mpitarika ireo andian-jiolahy manafika tanàna sy taksiborosy amin’ny lalam-pirenena faha fito sy ny RN12 mampitohy an’i Ranomafana, Vohiparara, tonga any Manakara  iny. Antsoina hoe “Ravita” na “Rabiby” ity sefon’ny dahalo voasambotra ity. Anisan’ny nampitondra faisana ny mponina tao amin’ny kaominina maromaro, toa an’Ambalakindresy, Ambohimahasoa, Androy, Alakamisy Ambohimaha, Tamboholava, Ankasina, Fianarantsoa, ao amin’ny faritra Matsiatra ambony sy Vatovavy Fitovinany, ity lehiben’ny jiolahy sy ny ekipany ity. Araka ny fanazavana voaray, anisan’ny nitifitra ka nahafaty ny Ben’ny tanànan’Ambalakindresy teny ambonin’ny moto nentiny, ity sefon’ny jiolahy ity. Mbola karohina ihany koa ireo namany. Nahafaty ary nanapa-doha raim-pianakaviana iray tao amin’ny kaominina Alakamisy Ambohimaha ity sefon’ny jiolahy sy ny ekipany ity, iray volana lasa izay, ka nahaverezana omby 40. Tsy mbola hita popoka moa ny misy ireo biby ireo hatramin’izao. Mpanao fanafihana amin’ny lalam-pirenena koa izy io sy ny namany. Nandrenesana fanafihana taksiborosy tao amin’ny Camp Robin sy Ambohimahasoa iny, ka ny ekipan-dRabiby avokoa no manatanteraka ny fanafihana, hoy ny solontenan’ny mponina avy any Ambalakindresy nanao fitarainana.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT