Ben’ny tanàna maty notifirin’ny zandary

Miampanga ny eveka iray ny fianakaviana


  • Talata 20 Febroary 2024

Nampiaka-peo sady manao antso avo amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

sy ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny fianakavian'ny ben'ny tanàna tao Tsimafana, distrikan’i Belo/Tsiribihina, faritra Menabe, izay maty notifirin'ny zandary avy ao amin'ny Groupement Morondava ny 13 febroary 2024 lasa teo. Tsy rariny sy tsy nanara-dalàna ny nitifirana ny havanay, hoy izy ireo, satria ny zava-nisy dia olona efa teo am-pelatanan'ny zandary efa 3 andro io olona io ka raha ny lalàna izay misy eto amintsika dia tokony ho natolotra ny fitsarana izy raha nisy fandikan-dalàna nataony na tsia. Ny fitsarana no manameloka raha nisy ny porofon’ny fiampangana azy. Tsy tokony ho novonoina toy ny nataon’ireo mpitandro filaminana ny havanay, hoy ny fanambarana. Tsy izay ny zava-nisy, hoy ny fanambarana , fa efa nikasa ny hamono azy mihitsy izy ireo. Efa voatana tao Morondava ny ben’ny tanànan’i Tsimafana satria tao an-drenivohitr’i Menabe izy no tokony ho niakatra fampanoavana na «déférer» nefa naninona indray no nentina nivoaka ny tanàna dia avy eo notifirina? Tsy ny lalàna intsony araka izany no ampiharina ato Menabe amin'izao fotoana fa fanatanterahana ny baikon'ny eveka iray izay efa tsy manao ny asa izay ampanaovin'ny eglizy azy intsony fa lasa mirona amin'ny politika. Ny mpitandro filaminana ao Menabe dia efa nisy nanambara ny volana janoary lasa teo, tao amin’ny Radio Fanasina an’ny diosezy, fa lehibem-piangonana no anisan’ny mpaniraka azy. Miangavy ny tomponandraikitra izahay fianakaviana hijery akaiky ny momba ity raharaha ity, hoy hatrany ny fianakaviana miampanga ny evekan’i Morondava.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT