Fandriampahalemana

Ben’ny tanàna handray fahefana Notafihina tao anaty hotely


  • Zoma 17 Janoary 2020

Hamonjy fivoriana mikasika ny famindram-pahefana ny Ben'ny tanànan'ny kaominina ambanivohitra Andrimbavontsona, distrika Analalava Atoa Rabezato Julio sy ny lefiny Gilbert, voafidy tamin'ny anaran'ny MAMITA.

 

 

Nandry tamin'ny hotely tao Antsohihy izy ireo. Nisy lehilahy miisa 3 niditra an-keriny anefa tao amin'ny hotely, ka nandratra ny mpiandry ny toerana ary niditra tao amin'ny efitra nandrian'ny Ben'ny tanàna sy ny lefiny. Nivatsy antsy sy hazo izy ireo, ka dia niezaka ny namono sy nikendry ny lohan'ireto olom-boafidy ireto. Raikitra ny sakoroka, lavo izy mirahalahy satria tratra tamin'ny lohany. Mody naka entana kely ireto mpanafika ireto, asa hanakonana ny tena anton'izao fanafihana izao, hoy ny fampitam-baovao. Tsaboina ao amin'ny hopitaly ao Antsohihy izy telo lahy ireo amin’izao fotoana izao. Ahiana ho ambadika politika avo lenta ity toe-javatra ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT