BEMOKOTRA MAINTIRANO

Zandary kilasy faharoa maty notifirina jiolahy ikoizana


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

avy amin'ny andiany faha-74. Tao Ankerabe, kaominina ambanivohitra Bemokotra Atsimo, distrikan’i Maintirano, Faritra Melaky no nitrangan’izany.
Nisy ny fampahafantarana nataon'ny niharan'ny fanafihana, izay very basy nandritra izany, efa ho iray volana latsaka izay fa hitan'izy ireo ny toerana hiafenan'i Fidô, iray amin'ireo dahalo izay nangalatr'omby roa antsokosoko sy nitifitra olona izay nifanena an-dalana tamin'izy ireo ka nahalasanan'ny basin'ity farany. Tsy maty ilay voatifitra fa ny basiny no lasan'ireo dahalo. Omaly Talata maraina tokony ho tamin'ny 04 ora sy sasany, dia efa voahodidin'ireo zandary misahana ny faritra Bemokotra, ny trano izay niafenan'i Fidô. Tampoka teo anefa, nivoha ny varavarana ka vehivavy, tompon-trano no nivoaka. Efa niomana ny hivoaka avy taorianany koa i Fidô, ka nahatsikaritra ny fisian'ireto zandary. Avy dia nitifitra avy ao an-trano, avy hatrany izy, ka nahavoa an'i G2C Ramilave, no sady nivoaka handositra. Namaly tifitra avy hatrany ireo zandary roalahy ka nandratra azy ary dia latsaka ilay basy teny aminy, fa i Fidô kosa mbola afa-nandositra na dia efa naratra aza. Noentina tamin'ny sarety hamonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ilay zandary naratra. Teo am-pahatongavana ny tananan'i Bemokotra, omaly tokony ho tamin'ny 08 ora sy sasany anefa dia tsy tana intsony ny ainy. Tena ilay basy noravaina tamin'ilay mpandalo voatafika tokoa io nampiasain'i Fidô nitifirany an'i G2C Ramilave io ary efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana. Manao ny ezaka ankehitriny ny eo anivon'ny Vondron-tobim-pileovana Melaky fa tsy maintsy ho voasambotra amin'ny fomba rehetra i Fidô, sy ireo namany izay namono nahafaty ity zandary am-perin'asa ity. Miantso fiaraha-miasa amin'ireo tsara sitra-po mba hanome vaovao mari-pototra hahafahana mamongotra ireto tsy mataho-tody ireto ihany koa izy ireo.

Pati
Legende Itompokolahy fony fahavelonyz
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT