BEMARIVO MAEVATANANA

Avotra ilay zaza varira nisy naka an-keriny


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

ilay zazalahy kely manana 5 taona, mañana toe-tena varira nisy naka an-keriny ny alin’ny Alakamisy 20 Aogositra lasa teo. Araka ny vaovao nampitain’ny Filohan’ny Fikambanan’ny olona manana toe-tena varira eto Madagasikara Atoa Fulgence Soja dia omaly Alahady 23 Aogositra tokony ho tamin'ny 03 ora maraina no nahavotsotra ilay zaza teo am-pelatanan’ireo jiolahy. Vokatry ny ezaka sy fanarahan-dia nandritra ny andro maromaro nataon'ny Zandary sy ny fokonolona any Betsiboka no angady nananana sy vy nahitana izany. Etsy ankilany , mitohy ny fanarahan-dia hataon'ny fokonolona sy ny ampahan'ny Zandary mikaroka ireo mpaka an-keriny . Tsy mikely soroka tokoa ny Fitondram.panjakana amin'ny famongorana sy fikarohana izay mety ho tambajotra rehetra sy mpiray tsikombakomba amin'ny fampahoriana sy fakana an-keriny ireny zaza manana toe-tena varira ireny. Nahetsika hatramin'ny mpiambina manokan'ny Filoha mihitsy aza raha tsiahivina toy ny tany amin'ny faritra atsimon'ny Nosy iny nandrava sy nisambotra ireo tsy mataho-tody ka nahatratrarana jiolahy am-polony . Tsy hijanona mihitsy fa hitohy hatrany izany hetsika mahery vaika izany mandrapahafoana tanteraka ireny mpanao an-keriny varira ireny hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael.
Pati
Légende : Avotry ny mpitandro ny filaminana ilay zaza varira !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT