BELO

TSIRIBIHIANA


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Tsy hisy olona hipetraka any an-trano intsony ao Belo/Tsiribihiana raha mitohy

ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny mitranga any an-toerana. Ankizy mianadahy 16 taona sy 13 taona indray mantsy omaly Alahady 21 Janoary tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nisy naka an-keriny tany an-toerana. Raha araka ny fantatra dia niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano nisy azy mianadahy ireto ireo mpanao ratsy ary avy hatrany dia nikaroka sy nitondra azy ireo. Antso an-tarobia no natao taorian’izany dia mitaky amin’ireo fianakavian’ireto zaza ireo vola mitentina 10 tapitrisa Ar.Taorian'ny fampandrenesana ireo mpitandro filaminana dia lasa nanara-dia ireo mpanao ratsy ny polisy sy ny fokonolona. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia mbola tsy nahitam-bokany izany fanarahan-dia nataon’ireto farany izany. Andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Mihorohoro tanteraka ireo mponina eto Belo/ Tsiribihiana vokatry ny firongatry ny tsy fandriampahalemana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT