Fandriampahalemana

Belo sur Tsiribihina Miaina anaty horohoro


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Tao anatin` ny roa volana dia maro ny fitairanana voaray fa misy voadaroka sy voaroba ao amin` ny tampon`ny tanànan`I Belo sur Tsiribihina. Amin` ny 07 ora hariva hatramin` ny 08 ora alina no tena hitrangan` izany.

 

 

Na amin` ny 04 ora maraina. Ny alarobia lasa teo dia mpiasana radio tsy miankina any an-toerana no isan`ireo niharan`izany herisetra izany tao amin`ny fokontany Soatsiky. Marihana fa am-polony ireo olona iharan` izany halatra sy daroka izany. Araka ny fampitam-baovao avy amin` ny mpitandro filaminana any an-toerana dia efa misy voasambotra ireo olon-dratsy ary misy mihitsy no efa naiditra am-ponja any Morondava. Saika olona manodidina an`I Belo sur Tsiribihina no manatanteraka izany asa ratsy izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Manaitra ny tompon`andraikitra ny mponina mba hisian` ny vahaolana maharitra momba ny tsy fandriampahalemana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT