Fandriampahalemana

Belo sur Tsiribihiana Tsy nisy maso sy lela intsony ilay zaza varira notapahin-doha


  • Talata 06 Jona 2023

Zazalahy kely varira iray indray tamin’ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa hita faty tany amin’ny distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana.

Efa notapahin-doha io zaza io vao hita raha efa tsy teo amin’ny toerany intsony ihany koa ny masony sy ny lelany. Efa nanambara ombieny ombieny anefa Atoa Soja Fulgence, filohan’ny fikambanana Albinos Madagascar fa tsy misy safira izany ao anatin’ny mason’ireny zaza na olon-dehibe manana toe-tena varira ireny. Mirongatra loatra mantsy ny herisetra hatao amin’izy ireny ary saika mihatra aman’aina hatrany izany. Indrisy anefa fa toy ny rano hararaka eny an-damosin’ny gana hatrany izany fitenenana izany. Mbola misy hatrany ny fakana an-keriny sy famonoana ireny ankizy manana toe-tena varira ireny na dia efa maromaro amin’ireo distrika any Atsimo aza no misy fikambanana miaro azy ireny. Ho an’ity zaza hita faty ity dia tsapa fa tena hirifiry tokoa ny niainany vao afaka ny ainy. Sady nokapaina mantsy ny tendany no mbola nalana ihany koa ny lelany…tranga izay miteraka horohoron-tsaina ho an’ireo mponina any Atsimo. Vokatry ny tsy fananan’asa hatrany moa no nambaran’ireo tompon’andraikitra fa antony mampirongatra ity vono olona any Atsimo ity ka tokony handraisan’ny fanjakana fepetra.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT