Fandriampahalemana

Belo sur Tsiribihiana Alevina anio ilay zazavavy kely maty notapahin-doha


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Indroa sahady tamin’ity volana jona ity no nisy zaza tsy manan-tsiny roa maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihiana.

Zazalahy kely vao 5 taona monja ny iray izay tsiahivina fa manana toe-tena varira ary nalana ny masony sy ny lelany. Ny iray kosa zazavavy kely tsy varira, nivoaka ny tokantranony mba hanara-dia an-dRainy handeha hiasa kinanjo tsy niverina intsony. Efa andro maromaro ity zaza ity no nanjavona raha araka ny loharanom-baovao azo. Tamin’ny zoma teo anefa dia olona sendra nandalo no nahita ny tanany ilany tsy voatototry ny fasika raha tapitra nototofan’ireo tsy mataho-tody kosa ny vatany mba tsy hisy mpahita. Iretsy voalohany noho izany no nampandre ny sefom-pokontany sy ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza ny vatana mangatsiakan’ilay zaza no hita fa ny lohany mbola tsy fantatra izay tena nanaovan’ireo mpanao ratsy azy. Noho ity tsy fandriampahalemana lavareny miseho ao Belo sur Tsiribihiana ity moa dia fantatra fa hametrahana ilay CSAO na toeram-piofanana ho an’ny zandary ao an-toerana sy any Malaimbandy, samy ao anatin’ny Faritr’i Menabe. Alevina anio Alatsinainy kosa ilay tsy manan-tsiny kely.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT